<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><title>Ny sambonkelinay ety FFPM508</title>
<lyrics>[V1]
 Ny sambokelinay etý
 Mitety ranobe,
 Misononoka ho ery
 An-dafin'ony be (in-3)
 Misononoka ho ery, sns.

[V2]
 Ny rivo-doza tsy hanjo,
 Fa Jeso aminay;
 Ny alondrano mankato
 Ilay maherinay (in-3)
 Ny alondrano mankato, ..sns.

[V3]
 Mamaky onja izahay
 Fa tsy ho faty eo ;
 Ny fitodian-tsambonay,
 He ! tazanay izao (in-3)
 Ny fitodian-tsambonay, ..sns.

[V4]
 Irinay ny ho tonga ao
 Hilaozanay ity ;
 Mitsena anay tokoa izao
 Ny zokinay ary (in-3)
 Mitsena anay tokoa izao, ..sns</lyrics>
<hymn_number>508</hymn_number>
</song>